Tenin’ny Filoha

Tenin’ny Filoha

Ry tantsaha namana,

Am-pitiavana hatrany no hifanatrehana amin’ny alalan’izao Hafatra izao. Mamaramparana ny taona 2018 isika, satria efa manangasanga any ny taona vaovao.

Misy Hafatra tiana ampitaina amintsika anefa mba tsy hahatompon-trano mihono antsika Tantsaha amin’ny maha mpandraharaha ara-tany antsika io.

  • Tsy fanaontsika ny kivy sady fotoana fikatroahana izao;
  • Marina fa manjaka ny tsindry samihafa mahazo ny tontolo ambanivohitra (tsy fandriampahalemana, fikorontanan’ny toetrandro, tsy fahampian’ny entimanana sy fahaizamanao, faharatsian’ny lalana sy fotodrafitrasa samihafa…), kanefa tsy ataontsika sakana izany satria ny fiainana mitohy, ka miroso hatrany no fanao;
  • Mamokara betsaka araka izay tratra amin’ny fomba voajanahary sy manaraka ny fomba voajanahary, sy araka ny fahaizamanao nohavaozina izay efa fantatra ankehitriny;
  • Miezaha misokatra amin’ny sokajin’olona samihafa sy mpisehatra maro mba hivelarantsika amin’ny famokarana sy hisitrahantsika ny asa ivelomantsika.

Koa alaohery, rahavako, fa izay miasa no hahazo vokatra, ary ny vokatra mitombo hatrany no hahavanona antsika! Samia tahian-Janahary

Ny Filoha Nasionaly