FANATSARANA NY RAFITRA CPM, NATAO TAO TSIROANOMANDIDY NY FAMPIOFANANA IREO OLONA HIANDRAIKITRA IZANY HO AN’NY FARITRA BONGOLAVA

Natao ny 24 sy 25 Aogositra 2017 lasa teo, tao amin’ny Centre d’acceuil FJKM Tsiroanomandidy, ny fampiofanana ireo olona hiandraikitra ny fanentanana ho an’ny fanatsarana ny rafitra CPM ato amin’ny Faritra Bongolava.

Nitarika izany fampiofanana izany ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny CPM Andriamatoa RANDRIANONY Louis Raymond izay, nanamafy ny maha-zava-dehibe izao fampiofanana izao satria, miantoka ny hahatratrarana ny tanjona izany dia, ny fanatsarana ny rafitra CPM miainga avy any ifotony. Ho an’ity Faritra Bongolava ity dia, Kaominina valo no anaovana izany fanentanana izany dia ireto avy : Ambararatabe, Maritampona, Ankadinondry, Bemahatazana, Fihaonana, Tsinjoarivo Imanga, Mahasolo ary Ambatolampy.

Mba ahazoana vokatra tsara dia mampiasa Tantsaha Mpanentana ny CPM ka, Tantsaha Mpanentana iray ho an’ny Kominina iray. Tanjona amin’izany ny hananganana Fikambanana Fototra (FF) iray misy mpikambana fito fara-fahakeliny isaky ny Fokontany ary Fikambanana Fototra (FF) fito fara-fahakeliny no ajoro isaky ny Kominina mba, ahafahana manangana Vondrona Fikambanana Fototra iray eo anivon’ny Kominina. Marihina etoana fa tsy miasa irery ireo Tantsaha Mpanentana ireo fa miara-miasa akaiky amin’ny Sekreteram-paritra sy ny Biraom-paritra any an-toerana. Araka ny fandaminan’ireoTantsaha Mpanentana ireo dia amin’ny 15 oktobra 2017 no daty farany tsy maintsy ahatsanganana ara-panjakana ireo Fikambanana Fototra (FF) isak’ireo Kominina ireo.

 

(Ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanatsarana rafitra CPM ho an’ny faritra Bongolava)